<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>567</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Aza malahelo,
 Aza kivy fo ;
 Izay tia an'i Kristy,
 Loza tsy hanjo.
 Jeso, be fiantra !
 Mba avia izao,
 Ary ny mahantra
 Mba tantanonao.

[V2]
 Aza be ahina,
 Mpino hianao,
 Fa mba miankina
 Amin'ny Rainao.
 Jeso, ..sns.

[V3]
 Aza mba misento ;
 Kristiana anie !
 Fa homen'ny Tompo
 Fifaliam-be.
 Jeso, ..sns.

[V4]
 Tomponay mahery !
 Mba tsinjovinao,
 Tano sao ho very
 Ny mpanomponao.
 Jeso, ..sns.</lyrics>
<title>Aza malahelo FFPM567</title>
</song>